♦ Nanomboka omaly ny Visite Ad Limina tanterahin'ireo Evekan'i Madagasikara any Roma. Ny Alakamisy izao izy ireo no horaisin'ny Papa François miaraka ao Vatican... ♦ Mampitandrina ireo mpiraki-draharaha mbola manao fitokonana ka mampikatso ny fitsaràna ny ministra mpiahy omaly. Tsy maintsy hihatra, hoy izy, ny fanapahan-karama ho an'ireo miziriziry amin'ny fitokonana... ♦ Hamadika ny 60% ny famokaràna herinaratra ho azo avy amin'ny fampiasàna angovo azo havaozina ny orinasa JIRAMA amin'ny taona 2023. Hafainganina miaraka amin'ny fanohanan'ny fanjakàna izany, hoy ny tale jeneralin'ny Jirama...
25 ôktôbra — Teraka tao Egypte i Chrysanthe. Sénateur romanina nantsoina hoe Polémius ny rainy, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Numérien. Mbola kely i Chrysanthe dia efa niaraka tamin'ny rainy nitety an'i Roma tamin'izany asany izany ; ary tamin'izany no efa nahitan'ny olona ny faharanitan-tsain'i Chrysanthe.
Manampy antsika hahay handray fanapahan-kevitra an-kalalahana eo amin'ny fiainana : miezaka ny hahafantatra lalina sy marina ao anatin'ny fo ny fahaiza-mandanjalanja ; te-hahalala ny faniriana. Maro ny karazana fandanjalanjana : antso, ara-môraly, ara-panahy... Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Talata 25 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 18-21
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco