Tafita any amin'ny zanaka tokoa ve ny fampirisihana ataon'ny ray aman-dreny hoe : "ny fianarana no tena lova tsara indrindra" ? Tsy mitovy intsony amin'ny zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nilazana izany ny tranga ankehitriny sy ny tontolo manodidina, ka izay no mahatonga ny fanontaniana hipetraka. Na inona na inona anefa trangam-piainana miseho ankehitriny dia tena mbola manana ny hasiny ny fianarana, indrindra ny any amin'ny fanabeazana fototra.
♦ Nesorin'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, tsy ho isan'ny mpikamban'ny Governemanta Ntsay Christian, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Randriamandranto Richard. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, no misolo toerana azy vonjy maika... ♦ Tsy azo ekena, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ireo depiote mihoa-pefy, mitsabaka manao ny asan'ny manam-pahefana mpanatanteraka. Nisokatra omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara...
19 ôktôbra — Teraka ny 03 janoary 1694 tao Ovada tany Italie i Paul Danei. I Luchino Danei sy i Anna Maria Massari no ray aman-dreniny. Mpivarotra no asan'ny rainy ary enina ambin'ny folo mianadahy izy ireo no naterak'izy mivady. I Paul no zokiny indrindra, ary enina mianadahy izy ireo no velona fa ny sisa dia maty mbola kely avokoa.
Araka ny finoantsika dia tena olombelona i Jesoa sady tena Andriamanitra, ka tahaka ny olombelona rehetra dia mila volavolaina sy beazina ny maha olona manontolo : vatana, saina, ary ny fo amam-panahy. Fototry ny maha-olon ny vatana, saina, fanahy koa tsy misy azo atao antsirambina. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco