20 nôvambra — Teraka ny 841 tao Norbury i Edmond. Zanak'i Æthelweard tao Kent, izay taranaky ny mpanjaka saxons tao Est-Anglie izy. Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy nonofidian'ny mpanjaka Æthelstan handimby azy amin'ny fitantanana ny fanjakana, noho io mpanjaka io handeha hitoka-monina any amin'ny Tany Masina, hamarana ny fiainanay amin'ny vavaka sy ny fibebahana.
Ny lalam-baovao tsy maintsy hizoran'ny kristiana voalohany dia ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra amin'ny lafiny rehetra. Ny lalam-baovao faharoa dia ny fiaraha-miasa amim-pahatsorana, amin'ny samy olombelona. Ny lalam-pahafahana dia ny fandrodanana ny fefin'ny haratsiana rehetra ka mizotra hatramin'ny lalan'ny tena fiainana dia i Kristy. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Alahady 20 nôvambra 2022 — I Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 35-43
Tsy tokony hisy kantsentsitra hivelona ao anatin'ny olombelona. Rehefa betsaka loatra ireo kankana ao anatin'ny olombelona iray dia mety hanentsina ny lalan-kanina, vavony, aty, tsinay. Ireo fambara : mihamahia, marary kibo matetika, mety mitarika tsy fahampian-dra, mangidihidy ny lava-body. Ny kankana dia azo avy amin'ny tanana maloto, sakafo tsy voadio tsara na amin'ny fitaovam-pihinanana maloto, mety ho avy amin'ny rano nosotroina na nirobohana ihany koa ny kankana. Ny kankana dia mety ho tafiditra avy any am-bava na amin'ny alalan'ny maso-koditra...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco