♦ Voafidy sy voatendry ho Administrateur diocésain hisahana ny Diôsezin'Antsirabe, i Mompera Andrianandrainy Jeannot Martial. Hisahana ity diôsezy ity izy mandram-panendrin'ny Papa izay ho eveka vaovao ho an'Antsirabe... ♦ Misy ny hamehana ka lasa mampieritreritra ny fikarakan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny hetsika kopia faobe hisitrahana kara-panondrom-pirenena, hoy ny antoko HVM... ♦ Notanana am-ponja vonjy maika ilay mpamilin'ny fiara tra-doza tao Moramanga. Mitondra fanazavana ny tompon'andraikitry ny fitsarana ao Moramanga...
Nahoana no mila mitandrina ny ray aman-dreny amin'ny fiatraikan'ny finday na fahitalavitra amin'ny zaza madinika?. Manoloana ny fanatontoloana sy ny vanim-potoanan'ny teknolojia vaovao dia maro ny ankizy mampiasa finday aloha loatra, sy matetika mijery fahitalavitra maharitra. Ny anton'izany dia noho ny fisarihan'ny namana sy noho ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny. Ny vokatr'izany dia tsy ampy ny fotoana hifandraisan'ny ankohonana, eo koa ny ara-pahasalaman'ny saina sy ny fiankinan-doha...
♦ Nanambara ny fahavononany haka fahefana amin'ny alalan'ny fifidianana mangarahara ny antoko Hery Vaovao ho an'i Madagasikara. Mbola mametraka fepetra momba ny fahaleovan-tenan'ny CENI anefa ny HVM... ♦ Mitombo hatrany ireo mijoro mitaky ny fialan'ny Governoran'ny Faritra Bongolava. Mitarika fampisaraham-bazana ny zava-misy any an-toerana, ary taraiky ny fampandrosoana... ♦ Andrasana anio ny mety hisian'ny fihaonana eo amin'ny Sendikan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, izay manao fitokonana, sy ny Minisitra mpiahy...
23 septambra — Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco