♦ Nihena ny tahan'ny fahasimban'ny ala tao amin'ny tandavan'ala Ankeniheny-Zahamena sy Ambositra-Vondrozo, araka ny tatitra nivoaka androany. Isan'ny vokatra azo tamin'ilay tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy any amin'ny ilany atsinanan'i Madagasikara izany... ♦ Milaza ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena roa, fa mikorosy fahana ny seha-pihariana lavanila. Maniry fanovana sy vahaolana haingana izy ireo... ♦ Tsy ho fampiroboroboana ny seha-pihariana ihany ny Fier Mada, fa natao ihany koa hisarihana ny famoronana sy ny fampiasam-bola. Andro fahatelo ny androany...

Tsy maintsy nijoro ho vavolombelon'i Jesoa ny Eglizy katolika manoloana ny rafitra ara-politika, ara-piaraha-monina ary ny fanabeazana. Notanterahina ny sinaody iombonan'ny Nosy tamin'ny 07 - 12 oktobra 1975. Tanjona ny fanafahana ny olona rehetra amin'ny lafiny manontolo. Fandaharana momba ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagasikara miaraka amin'i P. Abdon Rafidison, Recteur, Théologat, Faliarivo, Antananarivo

♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Papa, ao anatin'ny Tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Ezahana hilamina hatramin'ny 17 aogositra, ny fandraisana ireo tanora rehetra ho avy any amin'ny Diôsezin'Antsirabe, hiatrika ny JMJ Mada X... ♦ Hitsidika an'i Kazakhstan, ao Azia Afovoany, ny Papa François ny 13 hatramin'ny 15 septambra 2022...

Nanokana roa andro nikaonan-doha momba ny fijery tantsaha niompana amin'ny dingana fanohanana an'ireo tanora hisehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...