♦ Tanterahina ny 13 hatramin'ny 18 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ "Ankizy mivelona ny Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia no fanantenan'ny Eglizy" no teny  ifanentanan'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, ny 13 hatramin'ny 17 jolay 2022... ♦ Hanatanteraka ny fihaonambe ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022, ny ACP eto Antananarivo...

Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Rober tamin'ny fampiasana azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro, liana amin'ny voly vary...

Niomana ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy tao an-tranon'ny raiaman-dreniny ny lehilahy sy ny vehivavy vao nanapa-kevitra hanorin-tokantrano. Hanangana fianakaviana izy ireo ka tonga : ray, reny. Mila manana tanjona eo amin'ny fifandraisana, amin'ny fanabeazana ny zanany. Miara-manangana ny filan-kevi-pianakaviana izy rehetra ao mba hanomezana sehatra ny zanaka, mianatra manetry tena ny lehibe.

15 jolay — Jean Fidanza no tena anaran’i Bonaventure, teraka ny 1221 tao Bagnorea (Bagnoregio) akaikin’i Viterbe. Mbola zaza izy no narary mafy ka nivavaka ny reniny, nitalaho tamin’ny vavak’i Masindahy François. Sitrana soamatsara izy tamin’izany.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...