♦ Niisa efatra ireo olona voalaza fa very sy namoahana filazana fikarohana no tafaverina eo anivon'ny fianakaviany, tao anatin'ny herinandro. Nahazo vahana indray tato ho ato izay tranga olona very izay ka mila fahamailoana... ♦ Mihatra any amin'ny Faritra Sofia ny Dina ho an'ireo tratra mangalatra lavanila. Fonjaina avy hatrany ireo tratra, hoy ny governora any an-toerana... ♦ Nanokana iray volana mba hanamoràna ny fanonerana ireo manana tany sy tanimbary voakasiky ny lalana Rocade Iarivo ny Fanjakàna malagasy...

♦ Tsy ho isan'ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy intsony i Abel Anicet Andrianantenaina. Anio no hiainga ho any Ghana ny delegasion'ny Barea avy eto Madagasikara sy ireo mpilalao avy any La Réunion... ♦ Ho ataon'ny fanjakàna laharam-pahamehana ny fanovàna ny rafitra ara-tsakafo manaraka ny fenitra sy ny rafi-pamokarana ho an'ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra eto Madagasikara... ♦ Mihanaka koa ankehitriny ny zava-mahadomelina "héroine" ka anisan'ny lasibatra amin'izany ny ankizy 13 taona, hoy ny ivon-toerana Aro-Aina...

Fahefana nomen'Andriamanitra ireo mandray ny tso-dranony ny fanohizana ny asa fahariana ny aina. Na dia mafy aza ny mety ho diavin'ny olona eto amin'ity tany ity dia ataony izay fomba rehetra hitandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 28 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23b-28

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...