♦ Takian'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra ny hisian'ny dinika hamahàna ny olon'ny bokin'omby amin'izao fotoana izao. Sahirana ny mpiompy amin'ny tsy fitovian'ny vidin'izy io any amin'ny kaominina samihafa... ♦ Tanora an'arivony no efa navokan'ny sekoly ambony ESCAM nandritra ny 25 taona nijoroany. Namoaka ny andiany vaovao indray izy ireo... ♦ Kaominina isan'ny misitraka ny fandaharan'asa ho fanatsaràna ny trano tomboka sy toeram-ponenana tsy zarizary eto Madagasikara, ny ao Moramanga...

♦ Natokan'ny Fitondram-panjakàna ho andro fisaonam-pirenena ny anio tontolo andro ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy tamin'ilay sambo Francia rendrika tany Soanierana-Ivongo... ♦ Nasondrotra amin'ny laharam-boninahitra Général de Corps d'Armée ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimaria ny Jeneraly Serge Gellé... ♦ Tafiakatra 83 ireo namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina nitranga tany Soanierana-Ivongo tamin'ny alatsinainy, 50 no avotr'aina...

Nantsoina ho mpampianatra ny pretra ka tsy azo atao tsirambina ny lafiny ara-tsaina eo amin'ny fiofanana. "Ny fampianarana ao amin'ny seminera tsy natao ho fampitàn-kevitra fotsiny fa tena famolavolana ara-teny finoana sy fanabeazana anaty ny seminarista mihitsy". Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alakamisy 23 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...