Ny evanjely dia vokatry ny toritenin'ny apôstôly mifanentana tanteraka amin'ny olona nanatrika azy ireo ; ohatra ny an'i Masindahy Matio dia nosoratana ho an'ny Jody lasa kristianina tao amin'ny faritr'i Palestine, Masindahy Marka dia nanoratra ho an'ny kristianina ivelan'ny Jody na ilay atao amin'ny teny vahiny hoe Paganochretien. Masindahy Lioka nanoratra ho an'ny Jentily... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Ho raisin'ny foloalindahy fiadidiana iombonana ho an'ny fanavaozana ny fitantanana ny firenena, ho ravana avokoa ireo andrim-panjakàna rehetra... ♦ Nolanian'ny solombavambahoaka teny amin'ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fampihatoana ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina amin'ny asany... ♦ Namoaka fanapahana ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, manoloana ny fahabangàn'ny toeran'ny filohan'ny repoblika sy ny filohan'ny antenimieran-doholona, manendry ny Kôlônely Randrianirina Mickael ho filoham-panjakàna...
♦ Andrasana na ho raikitra anio na tsia ny fivoriana hanongànana ny filoham-pirenena eny Tsimbazaza. Solombavambahoaka maromaro no efa vonona eny an-toerana, hiatrika izay "déchéance" izay... ♦ Misy amin'ireo gadra pôlitika nahazo famafan-tsazy avy amin'ny filoham-pirenena no efa nivoaka ny fonja, alina. Efa naneho hevitra momba ny fanenjehina azy ny mpanao gazety Fernand Cello ny maraina teo... ♦ Isaina sy harakitra anaty lisitra manomboka izao ireo fitaovam-panjakàna, araka ny fanambarana avy amin'ny Primatiora. Sorohana ny fanararaotana na fakàna tombontsoa manokana amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao...
Ny famaritana ny "hanim-pitoloha na hanina fitoloha" dia nivoatra nifanaraka tamin'ny fotoana, ka eo izay nangonin'ny Pretra misiônera Zezoita Georges Callet, fa eo koa izay araky ny firaiketana nataon'ny Pastora Ravelojaona. Nanodidina ny vanim-potoana nitondran'ny Mpanjaka Ranavalona-II dia noentina nanantanerahana fomba iray, ho an'ny vehivavy misantatra ny fanenomana landy, eo amin'ny zoro firariazana no hitsofan-drano io olona io ary hanomanana sakafo : Akoholahy mena, akondro vokatra, patsa, toho, sira, horirika, vary. Tara-kevitra avy amin'ny hoe fitoloha : fahavelomana, fahafenoana, fahatanterahana, fahatsaràna, fihavahana, famokarana ary fahavononana.
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco