Betsaka ny zavatra tsy fantatsika amin'ny mhaolombelona fa amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra sy fifampikasokasohana amin'ny hafa no ahafantarana an'izany. Mitana anjara toerana lehibe amin'izany ny tantaram-piainana satria mampita amin'ny mpihaino ny fomba fiatrehana ny fiainana. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alarobia 1 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44

♦ Miantso vonjy amin'ny fahefana mahefa ny mponina ao amin'ny Fokotany Imerinavaratra, Kaominina Manjakavaradrano, ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nanjakan'ny dahalo nandritra ny ora iray mahery izy ireo ny alin'ny alahady hifoha ny alatsinainy lasa teo... ♦ Voasambotry ny mpitandro ny filaminana tamin'ity herinandro ity ny olona roa nampiasa didim-pitsarana hosoka. Ny sehatry ny fananan-tany, ny fadin-tseranana ary ny fisaraham-panambadiana no maro mpanao hosoka ho an'ny ao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ao Antananarivo Renivohitra...

Notanterahina ny 2 hatramin’ny 27 aogositra lasa teo ny "FY DON BOSCO" tamin’ity taona 2020-2021 ity. Lohahevitra nodinihana manokana tamin’izany ny hoe "Entanin’ny fanantenana isika", "indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21, 5). Isan-taona, ny tontolo salezianina eto Madagasikara dia mikarakara an’io hetsika "FY DON BOSCO" io, atao mandritra ny fialan-tsasatra.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...