• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny Andro Nasiônaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2 hatao any Morondava... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana anatin'ny tetikasam-panjakana, ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Misy andro ratsy andalam-piforonana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina ho lasa rivodoza ato anatin'ny 48 ora izy io...
• Mafampana ny tsy fandriam-pahalemana any Toamasina. Lehilahy iray 23 taona, maty noho ny tsatoka antsy miisa telo nihatra taminy... • Ilaina ny fifampidinihana eo amin'ny mpitatitra sy ny fanjakana, mba hisorohana ny fampakarana saran-dalana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... • Tsy manana sora-bola manokana entina hanampiana ireo traboina ny Solombavam-bahoaka, fa anjara andraikitry ny fahefana mpanatanteraka izany, hoy ny Solombavam-bahoka, Jean Jacques Rabenirina...
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco