♦ Nigadona androany tany amin'ny Diôsezin'Ambanja, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay notendren'ny Papa François ho Eveka any amin'ity Diôsezy ity... ♦ Nanjavona teo am-pelantanan'ny mpitandro ny filaminana ny rongony valo gony, rehefa avy nalain'izy ireo tao amin'ny tokantrano iray, tao Tanambao any Morondava. Nisy ireo nijoro ho vavolombelona tamin'ity tranga ity... ♦ Ahiana hikatso ny famatsiana entana samihafa, satria hiroso amin'ny fitokonana ireo mpitondra camion, raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra amin'ny lalam-pirenena faharoa, mialoha ny alahady izao...

♦ Mety ho betsaka ny rotsak'orana aty afovoan-tany sy ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny telo andro, raha ny vinavinan'ny Météo. Misy ny filazàna fahamailoana amin'ny mety ho fiakaran'ny rano sy ny fihotsahan'ny tany, mety haterak'izany... ♦ Mila ho isan-kerinandro ny fiakaran'ny vidim-bary sy voamaina vokarina eto an-toerana eny an-tsena amin'izao. 200 Ariary isan-kilao ny fiakaran'ny vidim-bary, 100% aza ny fisondrotry ny vidin'ny katsaka ankehitriny... ♦ Nanao fanambaràna ireo Ben'ny Tanàna maro an'isa any Ambovombe-Androy, manoloana ny fanenjehina ny kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena. Nomelohin'izy ireo ny fanaratsiana ity solombavambahoakan'Ambovombe ity, izay ataonà olom-boafidy hafa...

♦ Mbola nanamafy ny fitakiana ny hanatsaràna ny fomba fikarakaràna ny fifidianana hotanterahina amin'ity taona ity ny RMDM. Nilaza Andriamatoa Marc Ravalomanana fa tokony hovaina ny Lalàm-pifidianana sy ireo mpikamban'ny rafitra mpikarakara... ♦ Velaran-tany 13.000 ha any antampon' i Ihorombe no hanaovana tetik'asa fampandrosoana marolafy. Hapetraka any an-toerana ny "zone d'emergence integré" hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Miantso ny Fanjakàna foibe hijery akaiky ny fomba hamahàna ny olana mampikatso ny fisokafan'ny orinasa Base Toliara ireo Sefo Fokontany ao Toliara-I. Ho tombontsoan'ny Faritra Atsimo-Andrefana no anton'izany hoy izy ireo...

♦ Namita ny adidiny tamin'ny Filoham-pirenena mivady, niarahaba azy ireo noho ny nahatratrarana ny taom-baovao 2023, teny Iavoloha androany, ireo Andrim-panjakana isan-tsokajiny eto Madagasikara... ♦ Hanatanterahana fampandrosoana maro lafy ny velaran-tany mirefy 13000 Ha any antampon'i Ihorombe... ♦ Miangavy ny fitondrana foibe hijery akaiky ny hamahana ny olana mampikatso ny fisokafan'ny Orinasa Base Toliara, ireo Sefo Fokontany any an-toerana, noho ny tombontsoa ambaran'izy ireo hositrahan'ny Faritra Atsimo Andrefana, amin'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...