♦ Miantso ny hery velona sy ny ankolafi-politika tsy ankanavaka hanatrika ilay fihaonana hatao eny Tsimbazaza anio ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Fihaonana hanehoana ny olana eto amin'ny Firenena sady hikatsahana vahaolana momba izany... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny amin'ny fampirantiana eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Nivory omaly sendikan'ny Mpiraki-draharaham-panjakàna eto Madagasikara. Herinandro no omen'izy ireo ny fitondrana hamaliana ny fitakiana, raha tsy izany handray fepetra amin'ny tohin'ny tolona izy ireo... ♦ Notafihin'ny kômandô mitam-piadiana alina ny efitrano fijerena fampisehoana iray tao Moscou any Rosia, maro ny maty...
♦ Tsy midika ho endrika fanjanahana ny fisokafana sy fiarahana amin'ireo tany miteny frantsay, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Frankôfônia... ♦ Manome fe-potoana 100 andro ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hamaliana ny fitakian'izy ireo, ny sendikà SISFM ivondronan'ireo Sage-femmes sy Infirmiers... ♦ Tsy mametraka olana amin'ny fisokafana amin'ny antoko hafa ny antoko TGV, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ho avy, fa mametraka fitokisana amin'ireo tompon'andraikitra misafidy izay ho kandidà...
♦ Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ankehitriny miaraka amin'ny hery pôlitika sy fikambanana samihafa ny vovonana misy an-dRamatoa Razanamahasoa Christine amin'ny sabotsy izao. Tsy tafiditra ao anaty lahadinika anefa ny resa-pifidianana... ♦ Ho hentitra ny fifantenana ireo olona avy amin'ny antoko pôlititka sy vondronan'antoko ary fikambanana maniry ny ho kandidà an'ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nanohana sy niara-miombon'antoka tamin'ny fananganana ny ivon-toerana vonjy voina eny Ankatso ny PNUD... ♦ Nihotsaka ny toerana iray fitrandrahana harin-tany any atsimon'i Pakistan. Efa miatrana manao ny asany ny mpamonjy voina ka olona roa no hita faty hatramin'izao...
♦ Mbola endriky ny fiodinana faharoa ho an'ny filoha Andry Rajoelina ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Belo amoron'i Tsiribihina... ♦ Nampiato ny asany ka mitaky ireo namany miisa 5 izay notanan'ny pôlisy ao Toamasina ny mpamilin'ny fiarabe mpitatitra solika... ♦ Omen-danja ny asan'ireo mpisehatra amin'ny asa sôsialy ary ampivelarana izany ny sehatr'asa eto Madagasikara... ♦ Nahazo fahafahana ilay mpanao gazety Congolais voarohirohy ho namoaka vaovao tsy marina rehefa nandoa lamandy hatrany amin'ny 400 Euros...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco