♦ Tsaroana androany ny tsingerin-taona nahaterahan'ny Amiraly Didier Ratsiaraka. Nijoro ho vavolombelona ireo mpiara-miasa akaiky taminy, fa nahavita be ity Filoham-pirenena Malagasy teo aloha ity... ♦ Mampiantrano ny fikaonan-doha momba ny fampandrosoana lovain-jafy aty amin'ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara, androany sy rahampitso. Mpiantsehatra hatrany amin'ny 300 isa avy amin'ny firenena 11 no mandray anjara... ♦ Mitaky amin'ny fitondram-panjakana ny hampitomboana ny fandraisana mpiasa vaovao ny Sendikan'ny infirimiera sy ny mpampivelona eto Madagasikara...

♦ Niharan'ny fanendahana teny Ambohitsaratelo androany maraina, ny mpianaka mpanao Cash Point. Maty ilay raim-pianakaviana, naratra mafy kosa ny zanany vavy... ♦ Misy fandikan-dalana ny fifanarahana nataon'ny CENI sy ny FIV.MPA.MA, ao anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga na MMM... ♦ Tsy misy antony avy amin'ny fitondram-panjakana malagasy ny fihemoran'ny dinika momba ny Nosy malagasy, iarahan'ny eo amin'ny Vaomiera Iombonana ahitana delegasiona malagasy sy frantsay, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta...

♦ Mitentina 924 tapitrisa dolara ny tetibidin'ilay lalambe mikodana hampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, izay heverina ho vita ao anatin'ny efa-taona... ♦ Manao ady sisika amin'ny tokony hampiakarana ny tetibola iasan'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, ireo fiarahamonim-pirenena... ♦ Manimba ny asa fanaovan-gazety, ary manapotika ny fiaraha-monina ny fitobahan'ny vaovao tsy marina, na eo anivon'ny haino vaky jery na ny tambazotran-tserasera...

♦ Hatomboka ny fanamboarana ilay lalam-be migodana mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo. Androany no natao teny Iavoloha ny fifanaovan-tsonia hanamboarana izany... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny teti-bola ho an'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana, ho fiarovana ireo harena voajanahary, ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Hiverina hamboly amin'ny taniny ireo tantsaha any amin'ny Kaominina Ambahikily sy Tanandava Station, Distrikan'i Morombe, tao aorian'ny dimy taona nanajarian'ny fanjakana azy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...