♦ Hiakatra 128 MegaWatt afaka enim-bolana ny herinaratra vokarina any Andekaleka. Nijery ifotony ny asa fanarenana tany an-toerana omaly ny Filoham-pirenena... ♦ Mety hitoetra eto amintsika indray ilay fito na ny Zone de Convergence Inter-tropical amin'ity herinandro ity. Ahiana ny ho fahabetsahan'ny rotsak'orana ao anaty fotoana fohy... ♦ Nanjavona ny tohin'ilay raharaha famonoana olona tany Ampano distrika Ambositra tamin'ny taon-dasa, Miantso ny tompon'andraikitry ny fitsaràna ireo niharam-boina...

♦ Tonga any Andekaleka ny "groupe" fahefatra sy ny "transformateur" miaraka amin'izany, ka fara fahatarany afaka enim-bolana hahavitan'ny asa dia heverina fa hiakatra hatrany amin'ny 128MW ny tanjaky ny herinaratra ho vokarian'ny ao Andekaleka... ♦ Hanamafy ny fijerena manokana ny tantsaha Malagasy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjafana. Hisantarana izany ny fametrahana toeram-pamokarana fary sy orinasa lehibe hanodina izany ho siramamy, any Ilaka-Est, any Vatomandry...

♦ Ny fanentanana ny olom-pirenena hazoto handry anjara amin'ny fifidianana no tokony imasoana fa tsy ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, hoy ny Ong Tolotsoa... ♦ Mangataka amin'ny Ministera mpiahy mba hamerina ny fampianarana amin'ity herinandro ity ny vondron'ireo sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Lalana maro kosa no tapaka ankehitriny, toy ny any amin'ny lalam-pirenena faha-6 sy ny lalam-pirenena faha-33B...

♦ Faritra iray eto Madagasikara ihany no tsy nahitàna tranga vaovao amin'ny Covid-19. Nihena anefa ny tranga vaovao saingy nitombo ireo lavon'ny valanaretina... ♦ Hanohy ny fihaonana hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana miaraka amin'ny Vondrona Panorama anio ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMF... ♦ Namaritra toerana hivarotra eny amin'ny toerana fandehanana an-tongotra ny Kaominina Antananarivo renivohitra...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...