♦ Tao Lisieux tany Normandie-France no namaranana tamin'ny fomba ôfisialy ny fivahinianana Masina naharitra herinandro nataon'ireo Evekan'i Madagasikara... ♦ Nahafatesan'olona telo ny trangana fahapozinana ara-tsakafo niseho tany Mahajanga, olona enina mbola manaraka fitsaboana momba ny fahapozinana ara-tsakafo tao Toamasina ; etsy ankilany natsangana ny "cellule de crise" ho an'iilay tranga teto Antananarivo...♦ Tokony ireo asa tena laharam-pahamehana ho an'ny vahoaka no hampiasana ny volam-panjakàna hoy ny tolo-kevitry ny fitsarana momba ny kaonty sy ny fitsarana ara-bola nandritra ny fampahafantarana ny drafitra stratejika vaovao 2025-2030...
• Miisa 17 ireo olona maty vokatry ny fihinana sakafo nandritra ny fety ny sabotsy teo. Tafakatra 14 ny isan'ireo maty teny amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona androany maraina... • Nizotra am-pilaminana ny fanadinana CEPE manerana ny nosy, notanterahana androany. Nitsidika ny foibem-panadidina teny amin'ny CEG Avaradrova androany maraina, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle... • Endriky ny tsy fisian'ny demokrasia ireny teny nataon'ny Praiminisitra teny amin'ny Lapan'ny Antenimeran-doholona omaly ireny, hoy ny filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Endrika fandrahonana ny mpanohitra ihany koa, hoy ny Profesora Ralison Roger...
♦ Tafakatra 14 ireo narary namoy ny ainy eny amin'ny HJRA, vokatr'ilay tranga fahapoizinana ara-tsakafo faobe ny sabotsy teo. Nitombo isa koa ireo nampidirina hôpitaly eny an-toerana... ♦ Taranja telo no vitan'ireo mpiadina tamin'ny tapany voalohany amin'ny fanadinam-panjakàna CEPE manerana ny nosy ny maraina teo... ♦ Nahatratra 100 miliara Ariary ny teti-bidin'ny fananana nogiazan'ny Bianco tao anatin'ny efa-bolana voalohan'ity taona ity. Hitondra fanazavàna eto ny Tale Jeneralin'ny Birao mahaleontena iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Nitohy alina ny fifampitifirana balafomanga eo amin'i Iran sy i Israel, izay efa ho adimy izao...
♦ Nihaona tamin'ny Papa Léon faha-14 ireo Evekan'i Madagasikara mandritra ny Fivahinianana Masina any Vatican... ♦ Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay fahapoizinana ara-tsakafo faobe nitranga ny sabotsy teo. Olona 13 hafa marary mafy, raha ny tarehimarika ôfisialy navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, omaly hariva... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna CEPE ireo zandry zanaka amin'ny taona fahadimy anio talata. Mpiadina maherin'ny 570.000 no hiatrika izany manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Vao mainka miha-mafy ny ady eo amin'i Israel sy i Iran. Rava omaly ny tranobe misy ny foiben'ny fahitalavi-panjakàna iraniana IRIB ao Téhéran...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco