♦ Nandray ny fitantanana ny tanàna an'Antananarivo nanomboka androany antoandro ny PDS Feno Ralambomanana. Fanamby maro no nambarany fa hapetraka amin'ny fitantanana... ♦ Kasaina ho hampiakarina 20% ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Mbola dinihina anefa ny lafiny ara-teknikan'izany fampiakarana izany amin'izao... ♦ Ho tapaka vonjimaika ny Lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina anio antoandro, noho ny asa fikojakojàna ny lalana. Nandefa fampitam-baovao momba izany ny ministeran'ny asa vaventy...
♦ Hotanterahina anio ny famindram-pahefana eo amin'ny PDS sy ny Ben'ny tanàna an'Antananarivo mpisolo toerana.... ♦ Miantso fifampiresahana haingana manoloana ny raharaham-pirenena Ramatoa Christine Razanamahasoa. Mitodika amin'ny fitondràna tsy hanakatsakana ny fahafaha-maneho hevitra ity Ministra teo aloha ity... ♦ Fadiranovana ny mpiasam-panjakàna eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny sendikan'ny Dokotera mpiasam-panjakàna eto Madagasikara. Tsy mbola ampy hisahanana ny filàna andavan'andro intsony ny karaman'izy ireo...
• Tsy hita taratra ny fitsitsiana ny volam-bahoaka nodradradraina. Fandaniam-bola fahatany no nataon'ny fitondrana tany amin'ny hetsika tany Toliara, hoy ny antoko VAMI, androany... • Naneho ny ahiahy amin'ny fisian'ireo olona voasambotra noho ny fanehoan-kevitra mitaky fanovana, ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka, Sampana Antananarivo. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo... • Nahazo fanampiana ara-tsakafo milanja 5.000 taonina avy amin'ny Amerikana i Madagasikara. Hamonjy aina sy hanampy olona hatrany amin'ny 3 hetsy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy izany...
♦ Nambaran'ny filohan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH fa olana ho an'ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha sasany nindram-bola tany amin'ny Banky ny fidinan'ny vidin'ny vary amin'izao fotoana izao. Tsy ny tantsaha maro an'isa no manana olana momba izany hoy izy... ♦ Tsy misy atahorana ny fielezan'ny andiam-balala any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy ny ao amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Voafendraka fanafody avokoa ny roa ampahatelon'ny velaran-tany nisy andiam-balala... ♦ Nahazo chapelle vaovao ny Fonjan'Ambalatavoahangy ao Toamasina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco