• Naseho ampahibemaso andraony ny drafitra stratejika amin'ny fanavaozana ny eo anivon'ny OMNIS, ho an'ny taona 2026-2030... • Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Irasam-pirenena ho an'ny Toekarena eny Ambanivohitra eto Madagasikara, na ny FIER MADA. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha-27, tanterahana eny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka... • Manao ezaka manokana amin'ny fanamboran-dalana mampifandray ireo kaominina ambanivohitra, mba ahafahan'ny tantsaha mamoaka ny vokany, ny Faritra Analamanga...
♦ Tokony horavàna ny lalàna nanafoana ny fitsinjaram-pahefàna tena izy hoy Andriamatoa Randriamanefa Henri Charles. Io lalàna io no nambara'ity mpanao pôlitika ity fa tsy nampandroso ny Firenena... ♦ Nakarin'ny Banky foiben'i Madagasikara ho 12% ny tahan-jana-bola fototra amin'ireo Banky mpampindram-bola eto Madagasikara. Tanjona ny hifehezana ny sondro-bidim-piainana, izay niakatra indray tato ho ato... ♦ Olona 2 no namoy ny ainy, vokatry ny hain-trano tetsy Antsambilo, Kaominina Ivato, omaly. Tokan-trano 6 rava tanteraka, vokatr'izao loza izao... ♦ Mitombo ny fankahalàna jiosy any Royaume Uni...
♦ Hatao atsy Addis-Abeba ny fihaonana voalohany karakarain'ny SCEAM, ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028". Manana solontena mandray anjara amin'izany i Madagasikara... ♦ Nisy ireo olona nalefa any am-ponja tamin'ny fifaninanana tamin'ny raharaha fiparitahan'ny laza adina tamin'ny fanadinana fifaninanana handraisana ho mpianatra mpitsara andiany 204 teo anivon'ny ENMG... ♦Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an'ireo olona maka ankeriny sy ny mamono an'ireo zaza varira ny Solombavambahoaka ao Betroka. Manameloka ny tranga nisy tany an-toerana ity Olom-boafidy ity ...
• Manana solontena mandray anjara amin'ny fihaonana voalohany karakarain'ny Fiombonamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara na ny SCEAM tanterahina any Ethiopie isika Malagasy. Fihaonana ho fanomanana ny Fihaonamben'ny Eglizy 2028... • Nisy ireo olona naiditra am-ponja tamin'ny fifaninanana handraisana ho mpianatra mpitsara andiany 2024. Nisy ny fiparitahan'ny laza adina araka ny fanadihadiana natao... • Hatao any Mahajanga ny 10 hatramin'ny 16 aogositra 2026 ny lalaom-pirenena ara-panatanjahantena an-tsekoly na ny JNSS amin'ity taona 2026 ity. Maherin'ny 2.000 ireo handray anjara...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco