♦ Ny Fanjakàna tokona hotronin'ny Faritra masi-mandidy no vahaolana fa tsy ny Fanjakàna Federaly hoy ny MFM. Nambaran'ny avy amin'ity antoko ity fa tsy sambany no nisy fivoizana fizarazaràna eto... ♦ Manambana hanao fitokonana faobe ireo sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny CNaPs. Mitaky ny hamoahana ireo namany nogadraina ao anatin'ny 48 ora izy ireo, omaly... ♦ Sarona ny tambajotra mpaka an-keriny sy maka voamason'ireo zaza varira any Betroka. Olona 15 sy Zandary iray no efa nosamborin'ny mpiambina ny Filohan'ny Fanavaozana hatramin'izao... ♦ Tafakatra hatrany amin'ny 40°C ny hafanana ao Seoul-Corée du sud...
♦ Nomen'ny Fanjakàna ho ampiasain'ny FFKM hikarakaràna ny fikaonan-doham-pirenena ny Village Voara Andohatapenaka. Nanolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly tolak'andro io foto-drafitr'asa io, ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany... ♦ Efa anatin'ny fisoratana anarana ny ankamaroan'ny sekoly amin'izao 1 volana mahery, mialoha ny fidiran'ny mpianatra izao. Misy efa mahatratra 60% ny taham-pisoratana anarana ho an'ny sekoly sasany... ♦ Nahitàna vato kristaly milanja 465kg tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro. Nosamborina sy hanaovana fanadihadiana ireo olona 3 nitondra io vato io...
• Natolotry ny fitondram-panjakana ho an'ny FFKM androany, mba hampiasaina amin'ny fikarakarana ny fikaonan-doham-pirenena, ny “Village Voara” eny Andohatapenaka... • Misedra olana goavana noho ny tsy fisian-drano ireo tantsaha any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana, ka nanaovan'Andriamatoa Randriamanantsoa Tabera antso avo amin'ny mpitantanana ny firenena mba handatsahana orana artifisialy... • Efa mirona any amin'ny fidiran'ny mpianatra ankehitriny ny sain'ny ray aman-dreny, na dia mbola ao anatin'ny fialan-tsasatra aza...
♦ Efa vonona tanteraka amin'ny fanaovana tantsoroka ny FFKM ny Minisitera misahana ny Fanavaozana. Hajoro tsy ho ela ny kômity teknika hiara hanomana ny fikaonandoham-pirenena, ka hanana solontena 6 amin'izany ny tanora hoy ny Minisitra Maître Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy miditra amin'ny ady hevitra amin'ny hisafidianan'ny vahoaka ny lalam-panorenana mifototra amin'ny rafitra Federaly sy ny Fanjakàna tokana ny antoko Fy-M. Mbola fanomezana vahana ny zarazarao hanjakàna izany... ♦ Nijoalajoala ny afo alina tao amin'ny tsenan'i Bazary-kely. Potika 90% ity tsena ao Toamasina ity...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco