♦ Nolavina indray ny fangatahan'Andriamatoa Mamy Ravatomanga fahafahana vonjimaika amin'ny fidirana am-ponja atsy amin'ny Nosy Maorisy. Anisan'ny nambaran'ny BRC nandavana izany ny ahiahy hitsoaka... ♦ Hanomboka anio ny fanamarihana ny faha-68 taonan'ny Repoblika voalohany any Antsohihy, mialohan'ny fidinan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika any an-toerana, rahampitso 14 oktobra... ♦ Namoaka fehin-kevitra iraisana ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena sy ny vovonan'ny sekoly tsy miankina momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao, taorian'ny dinika niarahana omaly...
• Efa miomana amin'ny fankalazana ny 14 ôktôbra ny any Antsohihy, saingy mitsipaka izany ny Fiverenana amin'ny Andoharano... • Hitazona ny fandaharam-pibeazana vaovao ny sekolim-panjakana. Malalaka amin'ny safidny, etsy ankilany, ny sekoly tsy miankina... • Tsy nahazo rariny amin'ny fangatahana fahafahana vonjimaika teo anivon'ny Fitsarana Tampony atsy amin'ny Nosy Maurice, Andriamatoa Ravatomanga Mamy...
♦ Teratany sinoa 11 no navoaka antsokosoko teny amin'ny fonjan'Avaradrano, voamarina taorian'ny fitsirihana natao teny an-toerana. Nandray fepetra ny eo anivon'ny fandraharahana ny fonja... ♦ Tsy voatery hahazo toerana vao afaka mandray anjara amin'ny fanavaozana ifotony ny firenena, raha ny hevitry ny antoko Monimà. Nikarakara velan-kevitra, nitondrana vahaolana ity antoko ity ny faran'ny herinandro teo... ♦ Mbola hitohy amin'ny dinika amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ilay hetsiky ny sekoly tsy miankina isaky ny Cisco ny zoma teo. Mitondra fanazavana momba izany ny filohan'ny fitaleavam-pirenen'ny sekoly tsy miankina...
♦ Niavaka ny ivon'ny fanamarihaana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco ny sabotsy teo. Mpiasa 61 mianadahy mianaka no notolorana mari-pankasitrahana avy amin'ny Fikambanana Saleziana... ♦ Mbola misy olona 21 tsaboina eny amin'ny Hopitaly tamin'ilay trangana fahapoizinana ara-tsakafo niseho tamin'ny orinasa KONECTA ny alakamisy teo. Efa afaka namonjy fodiana ireo ambiny narary... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny iray amin'ireo polisy voarohirohy tamin'ilay raharaha fitifirana mpiasan'ny La Gastro Pizza teny Namontana. Vita ny fanadihadiana momba ity raharaha ity...
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco