• Nitombo isa indray ireo pretra eo anivon'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara. Diakra roa no nohamasinina ho pretra tany Betafo omaly... • Feno 35 taona katroka androany ilay diabe nankeny Iavoloha nifarana tamin'ny rà mandriaka. Efa adinon'ny ankamaroan'ny Malagasy izany datin'ny 10 aogositra 1991 izany, 35 taona aty aoriana... • Nitondra fanazavana tamin'ny alalan'ny fanambarana navoakany ny Federasiona, manoloana ny karaman'i Maître Rôrô, izay nambarany fa mbola tsy voaloa...

♦ Misosoka ny fahoriana eo amin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly i Sitraka Rakotobe... ♦ Hiady ny laharana voalohany ao amin'ny vondrona "B" misy azy ny Ekipam-pirenena Malagasy Ankoay, latsaky ny 18taona, rahampitso ka hifandona amin'i Mali. Resiny 59 no ho 48 i Maroc tamin'ny lalao faharoa nataony omaly... ♦ Nisy omaly ny filan-kevitry ny minisitra ampitain-davitra izy niompana tamin'ny resaka angovo... ♦ Nifamatotra tamin'ny alalan'ny fifanarahana hanamafisana ny fiarovana i Arabia-Saodita sy Pakistan ary Tiorkia...

• Mila fitoniana sy filaminana ny firenena, mba hisian'ny fampandrosoana haingana sy maharitra, hoy ny fikambanana ACS, ivondronan'ny Loholona sy ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha... • Natolotra ny Foibe Fikarohana ho an'ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra, na ny FOFIFA, ireo masomboly vary nohatsaraina nentin'ny delegasiona malagasy notarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fitsidihana ofisialy tany Egypta... • Misy fahavakisana fantsona lehibe eo Mandroseza, ka miteraka fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny JIRAMA...

• Tontosa omaly ny fihaonana teo amin'ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny solontenan'ireo sendika eo anivon'ny mpiasa, nandinihina ny tambin-karama fanampiny momba ny trano fonenana... • Mirona ary mizotra amin'ny dinika politika ny ankamaroan'ireo mpanao politika, saingy mametraka fepetra amin'ireo izay afaka handray anjara amin'izany... • Hiakatra kianja indray anio ny Ankoay Zazalahy eo amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika amin'ny taranja Afrobasket latsaky ny 18 taona...

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...