♦ Manao ezaka amin'ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ny firenena aty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana. Zava-mahadomelina mahery vaika 1,5 taonina no sarona nandritra ny volana mey sy jona lasa teo... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra ny FAO. Nitsidika ny foibe famokarana tetsy Andranovaky Mahitsy ny tale jeneraliny Dokotera QU DONGYU niaraka tamin'ny delegasiôna notarihany ny faran'ny herinandro lasa teo ... ♦ Medaly alimo miisa 5 no norombahan'i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika ho an'ny taranja Karaté natao tany Abuja Nigeria tamin'ny herinandro teo...
♦ Nanonona ny voady mandrakizay, tany Betafo, omaly, ireo frera miisa 4 mirahalahy an'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco. Niatrika ny Sorona Masina tamin'izany ny Lehiben'ny Fikambanana Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Tsy voahaja ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana sy ny fisarahan'ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana fitsaràna hoy ny mpisolo vava Maître Rafidison Eric, tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny filohan'ny repoblika tamin'ny haino aman-jery momba ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Hametraka jiro manazava ny tanàna mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'ireo mponina iasany ny orinasa Bondy...
♦ Tsy azo ampiasaina amin'ny fanadiovana any an-tsekoly intsony ny Datura. Namoaka ranty miantso ireo mpitantana sekolim-panjakàna hanajanona ny fampiasana io zava-maniry io ny Ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka momba ny fahazoan'ny fanjakàna iranianina fiaramanidina tsy ara-dalàna ka mahatafiditra an'i Madagasikara amin'io raharaha io ny ACM. Namoaka fampitam-baovao momba izay ny ACM, omaly... ♦ Mitaky ny hamerenana ireo sendikalista roa amin'ny asa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina ny FISEMARE. Tsy ara-dalàna ny nandroahana ireo mpiasa ireo, taorian'ny fitorian'ny orinasa hoy ity sendikà ity...
♦ Nihemotra ny fotoam-pitsaràna ny raharaha fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Tsy tonga teny amin'ny Fitsaràna fandravàna didy Andriamatoa Rabehaja Jean, izay notoriana amin'izao raharaha izao... ♦ Nidoboka am-ponja ny lehilahy iray, anisan'ny lohandohany amin'ny tambazotra mpisoloky laza adina amina fanadinam-panjakàna. Manao dika mitovy avy amin'ny boky "Lauréat" izy amin'izany asa ratsiny izany... ♦ Mitaraina ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fanatanterahana ny asa. Mbola hisy hetsika hatao rehefa feno ny fepetra, hoy ny sendià SIS.F.M satria tsy mihaino mihitsy ny Ministera tompon'andraikitra...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco