♦ Tontosa teny amin'ny fidasiana Lapan'ny Tanàna Analakely androany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny FFKM, nitondrana ambavaka ny firenena, manoloana ny halatra sy vono olona tato ho ato sy natao ho fisaonam-pirenena ihany koa... ♦ Miisa 256 ireo tranga fahaverezan'olona niseho teto Madagasikara hatramin'ny niandohan'ity taona 2026 ity hatramin'izao, ka ny 9 tamin'ireo no fahaverezana niafara tamin'ny vono olona, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Anatin'ny famolavolana ny fanovana ny fandaharam-pampianarana (plan sectorel de l'éducation) ny eo anivon'ny Ministeran'ny fampianarana teknika...
♦ Efa nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora ireo olona miisa 4, voarohirohy tamin'ny famonoana ilay tovovavikely tany Ambositra. Miantso fitoniana ny ray aman-dreniny... ♦ Hisy isan'andro isaky ny amin'ny 6 ora sy sasany hariva ny tatitra ataon'ny Ivon-toeram-pibaikona mandridra ny ady atao amin'ny tsy fahitàna olona (CCO)... ♦ Handray fepetra hafa amin'ny fanendrena ireo lehiben'ny vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony ny CENI, manoloana ireo olana misy eny amin'ireo fokontany sasany... ♦ Samy miandry fatratra ny hanombohan'ny dinika nasiônaly ireo mpisehatra politika sy mpitarika fivavahana any RDC...
♦ Efa nigadona tao amin'ny Paroasy Katedraly Namahora-Morondava omaly hariva tamin'ny 5 ora ny Mgr Martial Andrianandrainy sy ireo delegasiôna avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Misy ny antso avy amin'ny FFKM manoloana ny fotoam-bavaka eny amin'ny fidasiana Lapan'ny Tanàna Analakely, anio amin'ny 9 ora sy sasany maraina... ♦ Nafampàna ny tao Ambositra taorian'ny nahitàna an'i Larissa, izay tovovavikely hita faty rehefa nisy naka an-keriny... ♦ Ao anatin'ny asan'ny fikambanana action catholique isan'andro, any Burundi ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra...
♦ Mbola mitana ny heviny hatramin'izay ny antoko UNDD mikasika ny tokony hisian'ny fampihavanana eto amin'ny Firenena. Izay tapaka mandritry ny fikaonandoham-pirenena no rafitra tokony hajoro hoy Andriamatoa Manoro Régis... ♦ Manara-maso ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea any amin'ireo Foibem-panadinana any Faritra ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy... ♦ Nanao tatitra ampahibemaso tao Antsirabe momba ny fampiasana ny volam-panjakàna sy ny fitantanan-draharaha any amin'ny Kaominina ny Fitsaràna momba ny kaonty Antananarivo...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco