• Andro faharoa amin'ny hetsika fitakiana jiro sy rano anio. Mitohy ny hetsika ary mbola misy ireo mikasa hanararaotra handroba... • Naneho hevitra voalohany, teo amin'ny pejy Facebook-ny, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Manameloka ny fihetsika fanapotehana sy fahapotehana tiana apetraka eto amin'ny firenena... • Hiatrika fivoriana anio tolakandro ny FFKM ary hanao fanambarana. Azo antoka fa mahakasika ny zava-misy eto amin'ny firenena no lahadinika amin'izany...

• Navesatra ny takaitra navelan'ny fanararaotana sy ny fandrobana nataon'ny andian'olona alina. Toeram-pivarotana lehibe maro no voaroba, nisy ny maty sy naratra ary ny voasambotra, vokatry ny hetsika fitakiana jiro sy rano... • Notapahan'ny OMC Nasionaly ny fampiatoana ny fampianarana ho an'ny Distrikan'Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe Voalohany, anio zoma. Tsy nihatra amin'ny ankapobeny, ny fanapahan'ny OMC Nasionaly, mandidy ny tsy fahafahana mivezivezy manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina... • Mitohy hatrany ny fanosihosena ny fahalalahan'ny mpanao gazety manao ny asany. Lasibatry ny daroky ny mpitandro ny filaminana indray mantsy omaly ny mpanao gazety nandrakotra ny vaovao...

• Maro ireo naratra, nisy ny voasambotra, nisy ny trano may vokatry ny hetsika “Leo délestage” androany, tao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Mitohy hatramin'izao hariva izao ny hetsika fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana ataon'ny mponina amin'ny tanana maro... • Nofoanana noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena ny Kongresy Nasionalin'ny antoko AVI, izay saika hatao rahampitso tetsy amin'ny CCI Ivato... • Manjaka ny hala-tany any amin'ny Kaominina Ambohibary, Distrikan'i Moramanga. Tany mirefy 5.000 m² bo bodoin'olona iray...

♦ Tonga nanohana ny antson'ny mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra ireo olona leo delestazy sy tsy fisain'ny rano. Tsy tafiditra teo amin'ny toerana nifampitaonana nefa izy ireo... ♦ Nanao ady sisika manokana ny amin'ny tokony hanalavana ny AGOA ny filoha Malagasy nandritra ny fandraisam-pitenenany amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana. Tsy ho an'i Madagasikara ihany fa ho an'ireo tany mivondrona ao amin'ny SADC hoy izy... ♦ Mikarakara fihaonana momba ny siansa sy ny famokarana eny ambanivohitra ny FTA, iarahana amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ny ESS ABC sy ireo mpiara-miombon'antoka...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...