• Vonona hanohana ny famaliana ny hetahetam-bahoana amin'ny fanavaozana ny Fitsarana eto Madagasikara ny fitondrana, hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison... • Hamafisina ny fihavanana eo amin'ireo foko valo ao Farafangana. Hapetraka ny 21 aogositra 2026 ny tsangambato momba izany... • Nisedra olana ara-teknika lehibe ireo tobim-pamokarana sasany tantanan'ny ENELEC ka nahatonga ny tsy fahafahana mamokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanan-dehibe nahitana izany. Izay no fanambarana nataon'izy ireo taorian'ny fampitandremana avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly...
♦ Tsy misy tombontsoan'ny Malagasy mihitsy ny fifanarahana amin'ireo orinasa tsy miankina mpamatsy herinaratra, raha dinihina amin'ny zava-misy any Antsiranana hoy ny vaomiera mpanadihadin'ny Antenimieram-pirenena momba ny raharaha JIRAMA... ♦ Misy olona misandoka ny anaran'ny fadintseranana Malagasy ka milaza fa manao lavanty fiarakodia any anaty tambazotra serasera FB, hoy ny tale jeneralin'ny fadintseranana, omaly... ♦ Manamafy ny fitakiana ny fandravàna ny rafitra CENI ny filohan'ny antoko MTS, Rolland Ratsiraka... ♦ Taorian'ny horohorontany tamin'ny 24 jona, tany Guaira Venezuela dia mbola nahitana fatin'olona 70 isa, omaly...
♦ Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... ♦ Tokony ho foanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakàna sy ahitàna endrika kolikoly hoy ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana bakalôrea omaly...
• Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... • Tokony hofoanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana, izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakana sy ahitana endrika kolikoly ary misy tsy mazava izany, hoy ny Vaomiera mpanadihady avy amin'ny Antenimieram-pirenena... • Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana Bakalorea androany. Nilamina ny fozotran'ny fanadinana manerana ny nosy...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco