♦ Nampiantso ireo mpikamban'ny Governemanta teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nibahan-toerana ny fangataham-panazavana momba ny olan'ny rano sy ny jiro ankehitriny... ♦ Nanazava momba ny delestazy misy amin'izao fotoana izao ny Minisitry ny angovo androany. Ny 30%-ny filana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina ihany no vokatra amin'izao, hoy izy... ♦ Teratany Malagasy miisa 25, nampodiana an-tanindrazana, rehefa nikasa hiditra an-tsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nisy 5 hafa nogadraina any an-toerana, noho izy ireo efa matetika no tratra amin'izao fiondranana izao...
♦ Mbola nanazava ny momba ny didim-pitsarana na ny ordonnance ahafahana manoratra ny anarana ao amin'ny lisi-pifidianana indray ny CENI. Nambara fa ireo olom-pirenena efa nisoratra anarana kanefa tsy tafiditra tao anatin'ny lisitra teo aloha no afaka manao fangatahana. Toa izany koa ireo feno 18 taona ka mahafeno ny fepetra ho mpifidy... ♦ Dinihan'ny antenimieran-doholona androany ny volavolan-dalàna momba ny fandaharan'asa tetezana miantona na ny Fly Over Makis... ♦ Marin-toerana ny toe-karena teto Madagasikara ka notazonin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara ny tahan'ny zana-bola fampiasa ao aminy...
♦ Mivory ara-potoana toa ny fanao isan-taona ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Fivoriana nanomboka ny 5 novambra lasa teo hatramin'ny 15 novambra ho avy izao... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-pianarana 2024-2025 ho an'ny sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ny Distrika Misiôneran'i Itaosy no nandray ny lanonana... ♦ Nampiantso ministra vitsivitsy ao amin'ny governemanta hanazava ny momba ny fahapotehan'ny lalana sy ny olan'ny angovo anio ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza raha tsy misy ny fiovana. Ny solombavambahoaka avy amin'ny fanoherana no namaritra io fandaharam-potoana io...
♦ Nosokafana teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy androany ny taom-pianarana 2024-2025 ho an'ny Sekoly Katôlika, ato anatin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hisy indray rahampitso ny Minisitra ao amin'ny Governemanta, hihaona mivantana amin'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza. Nampiantsoina amin'izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ny Minisitry ny Asa Vanenty... ♦ Tsy hanova ny fifandraisan'i Etazonia sy i Madagasikara, na iza na iza lany ho Filoham-pirenena any an-toerana...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco