• Mankasitraka ny fanehoan-kevitra an-dalambe ny Solombavam-bahoaka Roland Ratsiraka. Tsy tokony hitarika amin'ny fanimban-javatra kosa izany, hoy ity depiote voafidy tany Toamasina ity. Tsy ny Jirama no olana, hoy izy, fa ny fomba itantanan'ny mpitondra azy... • Nomelohin'ny fikambanan'ny Taxi miasa ao Antananarivo Renivohitra, ny fomba nisamborana ny filohany, Clémence Raharinirina. Miendrika herisetra ny natao ka tsy azo ekena izany, hoy ny FTAR... • Manahy ny amin'ny ho avin'ny tanora sy ny ankizy, ny mpandinika fiaraha-monina Lanto Ratsida, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Marefo ara-tsaina sy ara-toekarena ny ankamaroan'ny Malagasy, hoy izy, ka tsy afa-mihetsika intsony manoloana izany...

♦ Mandray anjara amin'ny fivoriana faha-80 ho an'ny firenena mikambana any New York ny filoha Malagasy Andry Rajoelina, handray fitenenana amin'ity fivoriana ity ny tenany... ♦ Velaran-tany 17 Ha ao amin'ny Nosy-Sakatia, ahitana tranon'olona, toeram-pambolena no voakasik'ilay tetik'asa goavana anà-vahiny mpanambola, ary mahazo ny fankasitrahan'ny fitondram-panjakàna... ♦ Mbola tsy nisitraka ny zony, araka ny didy voalazan'ny fitsaràna, hatramin'izao ny mpiasa miisa 15 amin'ny orinasa iray eny Amboditsiry... ♦ Mitaky ny famotsorana ireo takalon'aina rehetra eo am-pelatanan'i Hamas ny filoha Frantsay, ho takalon'ny fankatoavany ny fijoroan'ny fanjakàna Palestiniana...

♦ Tsy hihemotra amin'ny hetsika kasainy hatao amin'ny 25 septambra izao ny mpanolontsainan'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra avy amin'ny fanoherana. Tafapetraka omaly ny taratasy fampahafantarana sy fangatahana alalana teny amin'ny préfet... ♦ Niaiky ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'afo fa tena misy fiatraikany lehibe amin'ny asa fiharin'ny tsirairay ny olan'ny angovo misy ankehitriny. Miantso ny rehetra mba ho tony anefa ny ministra... ♦ Mpianatra miisa 6 sy zandary iray no naratra, vokatry ny hetsiky ny mpianatra teny Vontovorona omaly... ♦ Nilaza ny fanekeny tamin'ny fomba ôfisialy ny fijoroan'ny fanjakàna Palestiniana ny filoha Frantsay Emmanuel Macron...

• Milaza ny tsy hihemotra amin'ny hetsika kasainy hatao amin'ny 25 septambra 2025, ireo Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Revnivohitra, avy amin'ny fanoherana. Tafapetraka androany ny taratasy fampahafantarana sy fangatahana alalana amin'ny Préfet... • Niaiky ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo fa tena misy fiantraikany lehibe eo amin'ny asa fiharian'ny tsirairay ny olan'ny angovo misy ankehitirny. Miantso ny rehetra ho tony anefa izy... • Misy ireo fiarahamonim-pirenena sasany mivaona amin'ny asa tokony hataony, hoy Ravalitera Jacques Michael, izay solontenan'ny fiarahamonim-pirenena eo anivon'ny CENI...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...