♦ Tapitra androany ny fe-potoana nahafahana nametraka fitoriana teny amin'ny HCC. Miantso ireo mpitsara tsy hampiady ny Malagasy, fa hijery ny tombontsoam-pirenena, ny antoko Vonona Hijoro ho an'i Madagasikara... ♦ Tokony hofoanan'ny HCC ny voka-pifidianana Solombavam-bahoka teo, hoy ny RMDM androany. Nambaran'ny Rodoben'ny mpanohitra fa tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato, ka tsy nahomby ny CENI tamin'ny fikarakarana... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo androany ny Tarika Sahondrafinina Zanany. Mpitendry lokanga iray ao amin'ny tarika no maty noho ny ratra nahazo azy...
♦ Mankalaza miaraka ny andro eran-tany ho an'ny tontolo iainana sy ny andro eran-tany ho an'ny ady atao amin'ny fihangazàn'ny tany sy ny hain-tany isika eto Madagasikara manomboka androany. Ao Toliara, Faritra Atsimo-andrefana no hanaovana ny hetsika momba izany... ♦ Distrika maro any amin'ny tapany atsimon'ny nosy no lasibatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao. Nisy ny fivoriana vonjy maika niarahan'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknina sy ara-bola manoloana ny ady atao... ♦ Hanome lanja ny vokatra vita malagasy amin'ity volana jona ity ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Hetsika marolafy no entin'izy ireo manatanteraka izany...
♦ Tsy antenaina hitondra fiovana amin'ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza ny fisian'ny kandidà tsy miankina maro, lany ho solombavambahoaka hoy ny filoha nasionalin'ny HIFFIM. Miray hevitra amin'ny fitondrana ihany ny ankamaroan'izy ireo hoy Andriamatoa Alain Andriamiseza... ♦ Niverina an-tanindrazana omaly tetsy amin'ny seranam-piaramanidina ety Ivato ny delegasiôna mandrafitra ny Barean'i Madagasikara. Izy ireo izay avy niatrika ny lalao fifanitsanana ahafahana mandray anjara amin'ny mondial 2026, tatsy Johanesbourg Afrika-Atsimo... ♦ Mizotra am-pilaminana ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana Baccalauréat, eny amin'ny foibem-panadinana ANS Ampefiloha...
♦ Noravan'ny vatan-dehilahy am-polony nirahan'ilay olona milaza ho tompon'ny tany, ny fefy fanitso nataon'ireo olona tompon-tany ety Ivato. Tany mirefy 1 hekitara sy sasany io ifanolanana io... ♦ Tsy tokony ho sodokan'ny fahazoana ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny mpitondra, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny Vovonana HIFFIM, Alain Andriamiseza... ♦ Azo hitarafana ny fahazoan'ny antokon'ny fitondrana ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny vokatra navoakan'ny CENI omaly, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco