7 mey 2024 — Talata, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)
Ny fitondrana vohoka dia lalana ara-boajanahary hanohizana ny famindrana aina eo amin'ny olombelona vokatry ny fihaonan'ny tsirinaina lahy sy vavy. Ilàna fahavononana ny fitondrana vohoka izany hoe ara-tsaina, ara-batana. Raha vao tonga fotoana ny tovovavy dia afaka mitondra vohoka na tsy mbola tomombana aza ny taova rehetra, izay ilay atao hoe tanora miteraka aloha loatra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
6 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26 — 16, 4)
Fototry ny safidy ny hatsaram-panahy. Tsy iray andro ny mariazy, mila mizaha toetra mandritra ny fifamofoana. Tsy izay rehetra mitory fitiavana dia ekena avokoa. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco