20 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)

Ny soa iombonana dia iray tsy mivaky. Toe-tsaina tokony ho fongorantsika hatramin'ny fakany ny fitiavan-tena, ny tsy fahaizana mizara ny soa amin'ny hafa. Endriky ny tsy fahavononana hikatsaka ny soa iombonana io fitiavan-tena io. Samy nomen'Andriamanitra talenta avokoa ny isam-batan'olona, talenta tsy natao ho tehirizina fotsiny fa natao ho zaraina amin'ny hafa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

19 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)

Tsy azo zarazaraina ny soa iombonana : raha samy maka ho azy dia mivoana amin'ny maha soa iombonana azy. Sady an'ny besinimaro no an'ny tsirairay, an'isam-btan'olona ny soa iombonana. Tsy ho tratran'ny olona iray fotsiny ny fahatanterahan'ny soa iombonana fa tsy maintsy iaraha-mientan'ny rehetra. Amporisihan'ny Eglizy katôlika ny fiombonan'ezaka ho fitandrovana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...