Tsy manana fahafahana ny Zokiolona : asaina mipetraka ao an-trano mba tsy hanelingelina ny fiaraha-monina. Misy ny fiheverana fa manakorontana ny fampandrosoana ny Zokiolona, tsy maharaka ny fivoaram-piainana, tsy manana vinam-piainana. Ny Zokiolona dia olon-kendry, volafotsy marika ny fahendrena. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

18 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 7-12)

Ireo zokiolona dia manofana ireo tanora, mizara ny trai-kefam-piainany. Misy ny fiheverana fa sakana ho amin'ny fahafahana ny zikiolona, vesatra ara-toekarena indrindra ny amin'ny resaka sakafo ary ny fitsaboana rehefa anatin'ny aretina. Tsy eken’ny Eglizy ny fomba rehetra manafaingana ny fahafatesan’ny zokiolona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

17 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 1-6)

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...