5 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)
Ny teny dia anisan'ny fitaovana iray hifandraisana, ary ao antin'ny teny no misy ny fifampihainoana. Zo sy adidin'ny olona tsirairay ny miteny, noho izany dia tokony hohenoina izay miteny. Tsy ny teny rehetra no voatery hohenoina satria misy ireo olona izay manana fahazarana miteny ratsy. Efa niova ny soatoavin'ny fifampihainoana ankehitriny, isan'ny anton'izany ny tambajotra-tserasera isan-karazany. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
4 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)
Ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra dia ezahina mba hijanona eo amin'ireo niatrika ny fifanakalozana izany hoe ilàna fahaizana mandanjalanja ny fanapariahana azy. Fiadanam-po ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra. Aorian'ny fifanakalozan-kevitra dia ny fahavononana ny hanatanteraka ny dinika no tsy maintsy atrehina mba tsy ho resaka fotsiny. Ilaina hatrany ny fampahatsiahivana izay hevitra tapaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco