Ny fanirian’ny Fiangonana dia ny hahombiazan’ny finoana ao amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny ezaka ataony sy fanohizana ny zavatra nataon’i Jesoa teto an-tany tamin’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fampitana izany tamin’ny Apostoly sy ny mpandimby azy. Fiangonana kely ao an-trano ny fianakaviana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an'ny olombelona ny finoana, indrindra ho an’ny mpino. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alakamisy 5 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 43-51
Amin'ny alalan'ny Batemy no handraisantsika na ahazoantsika ny finoana ary tsy vitan'ny hoe azo na raisina fa mila fanabeazana, mila halalinina ary hampitomboina. Tsy mitovy avokoa ny fomba entin'ireo ray aman-dreny maneho ny finoany fa miankina amin'izay fanabeazam-pinoana azony tamin'ireo ray aman-dreniny tany aloha ihany na ireo razany tany aloha. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alarobia 4 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 35-42
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco