22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.
Taorian'ny Batemy i Jesoa no nanomboka niseho ampahibemaso ary nanatanteraka ny nanirahan'ny Ray Azy, izany hoe nanomboka nitory ny Vaovao Mahafaly. Ny fihetsik'i Jesoa manaiky ny ataon'i Joany Batemy dia maneho ny fanetren-tena lalina izay toetra anisan'ny hampianarany antsika. Raha tsy ateraka indray amin'ny rano sy ny Fanahy Masina isika dia tsy hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Talata 22 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11
21 nôvambra — Raha ao amin'ny Evanjely efatra ao amin'ny Baiboly, dia tsy ahitantsika ny tantaram-piainan'i Maria Virjiny, fa ny boky apocryphe antsoina hoe Protévangile de Jacques no ahitana izany tantara izany. Ny protévangile dia midika hoe "Evanjely voalohany".
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco