Tsy ampy hanarahana an'Andriamanitra ny fitandremana ny didiny, fa tsy maintsy mahafoy izay rehetra hananana koa isika hahavanona izay fanarahana azy izay. Satria ny lalam-baovao no  takin'ny Evanjely dia mazava ny lalana fa ny fiandahana amin'ny harena mandalo, izay tsy ahitàna fahasambarana afa-tsy eto an-tany ihany.  Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Zoma 18 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48

17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.

Mba hizorana amin'ny lalam-baovao takian'ny Evanjely dia tsy maintsy miezaka isika, na ny  isam-batanolona na isam-pianakaviana mba hiaina ny  fahantrana hatoron'ny Vaovao Mahafaly. Io fahantrana io dia mifototra indrindra amin'ny hoe tsy miankina amin'ny zavatry ny tany, fa mametraka tanteraka ny fahatokisana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...