Ny lalam-baovao tsy maintsy hizoran'ny kristiana voalohany dia ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra amin'ny lafiny rehetra. Ny lalam-baovao faharoa dia ny fiaraha-miasa amim-pahatsorana, amin'ny samy olombelona. Ny lalam-pahafahana dia ny fandrodanana ny fefin'ny haratsiana rehetra ka mizotra hatramin'ny lalan'ny tena fiainana dia i Kristy. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Alahady 20 nôvambra 2022 — I Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 35-43
19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.
Tsy misy na dia iray aza amin'ny fampianaran'ny Evanjely ka mampianatra na mandrisika antsika hanao ratsy. Matetika dia ny lalan'ny fitiavana sy ny fanetre-tena no atoron'i Kristy ho an'izay te hanaraka azy. Fianakaviana lavorary izay fianakaviana mahay mifampitondra eo amin'Andriamanitra, noho izany dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka ny ray aman-dreny. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco