Ny fampandrosoana dia "fizorana miala amin'ny tontolom-piainana tsy dia mendrika ny maha-olona, mankay amin'ny tontolom-piaianana mendrika ny maha-olona kokoa". Ny taona 1967 : ho fanatanterahana ny fanirian'ireo ray aman-dreny tao amin'ny konsily dia natsangan'ny Papa Paul VI, ny vaomiera Pontifikaly " rariny sy fiadanana". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Talata 22 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35

Asongadin'ny Papa Joany faha-23, amin'ity ansiklika ity ny fifandraisan'ny firenena samihafa mba hanafoanana ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra "racisme" sy ny hahafahan'ny firenena tsirairay mizaka-tena amin'ny fivoarana "autodeveloppement" ary ny mba hisian'ny fifanampiana "assisntance mutuelle". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alatsinainy 21 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 24-30

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...