Mandritra ny 01 septambra ka hatramin'ny 04 oktobra, miombom-po ny kristianina maneran-tany, amin'izao fotoana natokana ho an'ny fanavaozana sy fanentanana, hikatsahana ireo fomba vaovao hampirindrana ny fiainana miaraka amin'ny voahary.
Mitondra lesona mandaitra ny fitantanana satria niainga avy amin'ny andram-piainana. Mivoaka amin'ny fifampizarana ny fahatsapana fa tsy misy olona mahavita-tena eto an-tany, tsy maintsy mila namana. Ilaina ny fitantarana amin'ny hafa ny finoana an'i Jesoa Kristy sy ny hafaliana miaraka aminy. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alakamisy 2 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11
Betsaka ny zavatra tsy fantatsika amin'ny mhaolombelona fa amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra sy fifampikasokasohana amin'ny hafa no ahafantarana an'izany. Mitana anjara toerana lehibe amin'izany ny tantaram-piainana satria mampita amin'ny mpihaino ny fomba fiatrehana ny fiainana. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco