Singa efatra no entina mandinika ny olona manontolo: vatana, saina, fo, fanahy. Vatana : matoa naka nofo i Jesoa dia ilaina vonjena mihitsy ny ara-batana. Adidy voalohany ny fitandroana ny fahasalamana amin'ny alalan'ny fahadiovana sy ny fanatanjahan-tena. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotoamantsoa Jean Louis.
 
											 
 
			Sabotsy 10 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavataona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33
 
											 
 
			Raha vao miteny hoe "manana ny maha izy azy" matetika dia toa manondro olona malaza izay. Ny tanjona anefa dia ny mba hananan'ny olona toetra : hijoro, hahaleotena, hanana hevitra manokana fa tsy hanaraka ny hafa, ho matotra. Fehiny mba ho olom-banona amin'ny lafiny rehetra. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
 
											 
 
			Zoma 9 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco