Zoma 30 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6

Ilaina ny manokana fotoana indraindray mba hanaovana loabary an-dasy ka manao tombana ny fiainam-pianakaviana. Ilaina koa anefa indraindray ny mangina ao an-trano ao mba hahafahana miresaka amin’Andriamanitra bebe kokoa.  Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Alakamisy 29 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20

Mba hahafahana manana ny finoana dia ilaina ny manana fahazarana mivavaka. Miara-mivavaka ny mpianakavy ao an-trano ao. Ilaina ny manao fifanakalozana ara-panahy: mamaky Baiboly sy mifampizara izay azony sy nanaitra azy tao. Ilaina ny mivavaka any am-piangonana sy miditra Fikambanana Masina na firohotana krisitianina mba ho fanamasinan-tena. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...