Alahady 10 mey 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-12 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.

Sabotsy 09 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14 — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.

Zoma 08 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery amin'ny intsony ny fahafatesana.

Tsy mitovy lanja amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana ny famelàna mandritra ny vavaka fifonana amin’ny litorjia, fa manome antsika ny hevitry ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fepetra.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...