6 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)

I Masimbavy Agathe no tsaroana ny 05 febroary. Zanak'olona mpanan-karena sy avo razana, kristianina tao Catane (Sicile) i Agathe. Niaina tamin'ny fotoana nanjakan'ny Amperora Dèce tamin'ny taonjato fahatelo izy. Mbola kely izy dia efa nivoady ny tsy hanambady.

Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

5 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...