Tsy anatin'ny filaharam-pitondrana ao amin'ny Fiangonana ny fiainan-drelijiozy, manaraka ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly ; tsy tafiditra amin'ny sakramentan'ny filaharana tahaka ny Eveka, Pretra sy Diakra. Na izany aza dia voatokana hanompo ny Tompo sy hanome voninahitra Azy ny tenan'ny relijiozy. Ny relijiozy dia manavao isanandro ny fanomezan-toky tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny relijiozy dia nanokan-tena ary nandao ny zavatra rehetra ary nanaraka an'i Jesoa Kristy, araka izay voalaza ao amin'i Matio 10, 28 : Indro izahay efa nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. Ny toe-piainan'ny relijiozy dia mikatsaka an'Andriamanitra irery ambonin'ny zavatra rehetra, ka hibanjina Azy sy hifikitra Aminy amin'ny fony sy ny sainy, no hirehi-pitiavana ho apôstôly, hiezaka hifarimbona amin'ny fanavotana... ... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny relijiozy manokan-tena hanahaka an'i Jesoa dia manao ny voadin'ny fanekena izy mba hanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly. Amin'ny alalan'io voadin'ny fanekena io no anolorany ny sitrapony manontolo ho sorona amin'Andriamanitra. Entanin'ny Fanahy Masina ny relijiozy ka manaiky amim-pinoana ny Lehibeny... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, misy farany ny zavatra rehetra, ny mahantra mbola hanana. Zava-dehibe ny fifamelàna, ny fahaiza-mihaino sy ny fifampitondrana am-bavaka. Manana adidy ny mpitondra manam-pahefana sy ireo mpanana hitsinjo izay rehetra hanarenana ny fiainan'ny vahoaka : famoronana asa. Manana adidy hanova sy hampivoatra ny toe-tsaina entina hitrandrahana ny harena nomen'Andriamanitra an'i Madagasikara, isika Malagasy rehetra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco