25 aprily 2024 — Masindahy Marka, Evanjelista — Fety — Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)
Ny faharetana dia toetra tsy ananan'ny maro amintsika olombelona. Ao amin'ny Jenezy 24 dia toa hita taratra fa mandeha tsara ny zava-drehetra. Lesona sarotra ianarana ny handinika, tsy taitaitra tsy ilaina loatra amin'ny resaka fisafidianana vady izany. Ho an'ny fanapahan-kevitra manan-danja dia tsy maintsy maka fotoana handiniana ianao. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
24 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 44-50)
Tsy maintsy olon'ny vavaka ny kristiana. Na dia mbola tsy manana zavatra mivaingana hanontaniana momba izay ho vady aza ianao dia tokony ary tsy maintsy mijoro eo anatrehan'ny Tompo mba hivavaka ary mangataka Aminy mba hitarika anao. Ny vavaka ho an'ny vady iriana dia tena vavaka manokana. Ny tenin'Andriamanitra ihany koa dia manolon-tsaina amin'ny fisafidianana vady. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco