Rehefa misokatra amin'ny hafa ny zaza dia lasa manana namana. Endri-pifandraisana mamolavola azy hampihatra ny fanabeazana azo avy ao an-tokan-trano io. Ilaina hifampizaràna hafaliana sy fitiavana ny namana, ilaina hizaràna izay mety manjo araka ny salan-taona. Manefy saina hizara fitiavana amin'ny hafa ny fisokafana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Alahady faharoan'ny Paka sady alahadin'ny famindram-pon'Andriamanitra : mahery ny finoana omban’ny fanantenana sy fitiavana ; nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino. Isika Kristiana dia mitovy amin'ny Thomas, indraindray isika dia tsy mbola matotra amin'ny finoana, sarotra ho antsika ny mino tanteraka ny tenin'Andriamanitra. Ny toetra nananan'i Thomas amin'ny finiavana handalina ny marina momba ny finoana no tokony ho amin'ny kristiana ka mba hazoto handalina ny finoana amin'ny alalan'ny katesisy... Ilana ezaka maro ny maha olom-pinoana...
7 aprily 2024 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady Faharoa Fankalazana ny Paka — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Mahalala kokoa ny toetr'olona sady efa manana traik'efam-piainana ny ray aman-dreny ka manan-jo hametraka arofanina ho an-janany amin'ny fisokafana amin'ny hafa. Eglizy amin'ny endriny somary kely ny fianakaviana, manana adidy hampianatra ny finoana sy hampita fahalalana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco