Tanan-dehibe maro mponina indrindra ny eto Antananarivo renivohitra, ary tsy afa-miala amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro fa mila miatrika na mitady fomba fanalefahana ny voka-dratsiny. Ndeha isika hanova fomba fiainana hiarovana ny tranobe iombonana. Kajio ny tontolo iainana, rehefa tsy mandoto isika dia efa isan'ireo miaro ny tontolo iainana ihany. Ny vahaolana amin'ny fiovan'ny toetrandro dia miantomboka amin'ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay noho izany dia samia isika manao ezaka toy ny : fambolen-kazo sy ny fanajana ny fahadiovana...
Ny fahaizana mihaino ny hafa dia isan'ireo fanalahidin'ny fahombiazan'ny fiainana ary mahatsara azy. Hampirindra ny fiainana dia mifampihainoa isika olona rehetra : ny mpivady, ny mpianaka ary ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tamin'ny fomba fiheverana teo aloha, ny atao hoe aina tamin'ny malagasy dia : lahitokana ny aina ; tsy ananam-piry ny aina ; tavim-bilany ny aina ka tsy hita izay havakisany ; fofon'andro ny aina ka tsy hita izay halevonany. Isan'ny soatoavina malagasy ny fitandrovana ny aina. Ny aina dia avy amin'Andriamanitra, vokatry ny fitiavana. Mety marary ny aina, re ny aina izay zavatra ratsy ahatra aminy. Mba hankamamiana ny aina dia zava-dehibe ny fanabeazana. Tena mbola mankamamy ny aina ny malagasy porofon'izany ny fahitana ireo olona mamonjy tobim-pahasalamana. Ny zava-misy ankehitriny dia voakatry ny fanalana ireo taranja nanabeazana ara-pitsipi-pitondrantena sy fanabeazana ho olom-pirenena.
Mila mitandrina ny olona rehetra satria misy mandavantaona ny covid-19 ary mety ho tratrany daholo ny sokajin'olona rehetra. Marihina fa ity coronavirus ity dia mety hiditra amin'ny : orona, maso, lalan-drivotra, sofina, ary mamonjy ny avokavoka. Rehefa tonga ao amin'ny avokavoka ny tsimokaretina dia miparitaka amin'ny vatana amin'ny alalan'ny lalan-dra. Maro ny taova tafian'io tsimokaretina io. Ny fambara : mikohoka, voan'ny sery, manavy, sempotra, reraka, mangovingovitra, miakatra ny tosi-dra... Ny fahavoazana mety hitranga : mivonto ny fo, marary ny voa, fahasimban'ny sarakaty ka mampihetsika ny toe-batana diabetika, misy tsy fahatomombanana ny saina, marary ny hoditra...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco