Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.

Hanatsarana ny fambolena dia hatao ny fomba rehetra mba hitahirizana ny rano ela indrindra na hanangonana betsaka amin'ny alalan'ny lava voakarakara manokana. Ny fomba hikarakaràna ny lavaka : manao lavaka lehibe sy lalina, mampiasa labasy na sachet matevina, na mandalotra ilay lavaka mba tsy hisy rano hifantsitritra any ivelany, asiana fasika ny lavaka hanampy amin'ny fitahirizana. Azo atao koa ny manao lavaka toy ny volan-tsinana eo anelanelan'ny tanimboly mba hitanana ny hamandoana. Ny zezika kankana no azo antoka fa hampiakatra ny tahan'ny vokatra amin'ny voly vary, ary miezaka mampihatra ireo teknika vaovao. Tokony hanao ezaka hanao voly rakotra ny tantsaha...

Ny ankohonana no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana, noho izany dia manana adidy amin'ny fanorona ireo tokony hataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny miala sakana dia vanim-potoana tsy azo hiodivirana ho an'ny zanak'olombelona. Ny dingam-piainan'ny olombelona dia miatomboka amin'ny fahazazana, mandalo amin'ny fahatanoràna sy ny fahalebiazana ary miafara amin'ny fahanterana. Ny vanim-potoana tetezamita eo amin'ny fahazazana miampita amin'ny fahalebiazana no hisehoan'ny fialana sakana. Miatrika olana maro samihafa ny tanora satria miova ny toe-batany, miseho lany ny fanahiana, eo koa ny fitobahan'ny fakam-panahy, ny tsy fahatokisan-tena...

Tsy tokony hisy kantsentsitra hivelona ao anatin'ny olombelona. Rehefa betsaka loatra ireo kankana ao anatin'ny olombelona iray dia mety hanentsina ny lalan-kanina, vavony, aty, tsinay. Ireo fambara : mihamahia, marary kibo matetika, mety mitarika tsy fahampian-dra, mangidihidy ny lava-body. Ny kankana dia azo avy amin'ny tanana maloto, sakafo tsy voadio tsara na amin'ny fitaovam-pihinanana maloto, mety ho avy amin'ny rano nosotroina na nirobohana ihany koa ny kankana. Ny kankana dia mety ho tafiditra avy any am-bava na amin'ny alalan'ny maso-koditra...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...