Ny amibiase dia iray amin'ireo aretina katsentsitra mahafaty indrindra eran-tany (aorian'ny tazomoka sy schistosomiasis). Manodidina ny 10%-n'ny mponina eran-tany no voan'ny amibiase avy amin'ny karazana kantsetsitra Entamoeba, ny Entamoeba histolytica, izay isan'ny miteraka ny aretina. Fomba fifindrany : amin'ny alalan'ny tay miparitaka, sakafo tsy voadio tsara, loto isan-karazany ; miditra ao am-bava mitody ao amin'ny tsinay ary mitombo ao ka mandavaka ny rindrin'ny tsinay. Fambara : mangotika sy marary ny kibo, mahatsiaro voky lava, mivalana matetika ary mety misy ra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...

Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny reny no akaiky sy maharaka indrindra ny fiainan'ny zanaka indrindra ny fianarany. Ny reny dia feno fanekena : nanaiky ny ho vady ary nanaiky ho reny, nitondra 9volana an-kibo ; ny reny dia misy fifamatorana amin'ny zanaka. Mitebiteby sy mihevitra hatrany ny fianaran'ny zanany ny reny ; afaka mamarana amin'ny fomba mahomby kokoa ny taom-pianarana miaraka amin'ny zanany ny reny, famerenan-desona, fanomanana fanadinana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...