Fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary eto Madagasikara ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz. Faritra 22 moa no iasan'ity tetik'asa ity izay efa nanomboka niasa tamin'ny taona 2008 tamin'ireo faritra 05 anivon-tany.

Mandalo eo amin'ny fiainan'ny mpivady ny fahadisoam-panantenana. Ny fifampiresahana eo amin'ny mpivady miampy ny fandavantena sy ny fahatozoana no ahafahany mifankahery sy mifanohana amin'izany. Ny faharetana amin'izany no hampisy ny fahasambarana eo amin'ny fiainan'ny mpivady...

♦ 15 jolay 2020 : feno herin-taona ny nahamay ny Ôfisim-pirenena momba ny tontolo iainana, mitohy sy mivoatra ny fanadihadiana mikasika ny antony nahamay ny ONE. Nosokafana ny  fanadihadiana manokana ara-teknika sy siantifika ataon'ireo manam-pahaizana manokana momba ny hain-trano. ♦ Varika matavy rambo : :tamin'ny taona 1970 no nahitàna azy voalohany teo Madagasikara, tsy mbola voafaritra mazava ny toerana tena misy azy. ♦ Ny mandrafitra ny tetiandro-pambolena... 

Teny roa no misongadina ao anatin'ny hoe : "soatoavin'ny asaramanitra" dia ny soatoavina sy ny asaramanitra. Soatoavina : soa toavina, hajaina, iainana ary hifampitàna ary ity farany no tena zava-dehibe. Asaramanitra : fotoana hanaovana fety toy ny taom-baovao sy ny fetim-pirenena, hifampiarahabana, hifampitsidihana arahina fifanolorana fanomezana. Ny asaramanitra dia fotoana mamarana ny fahavaratra ary miditra amin'ny vanim-potoanan'ny fijinjana, fiakaran'ny vokatra asara. Asaramanitra : Saha + manitra.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...