Tsy tokony atao sakana ny elanelan-taona misy amin' ny mpivady. (09-06-2021)

Mila hery sy fahavononana ny fanatràrana ny tanjona. Tokony ialana ilay fomba fisainana hoe "azo maimaimpoana" satria ireny dia tsy maharitra. Ny fahasalamana dia ilay fahafahana miaina tsy misy sakatsakana izay miankina amin'ireto andry lehibe ireto : sakafo, torimaso, fahaizana miala sasatra, fandanjalanjàna ny fiankanjoana, ary ny fampiasam-batana. Ny fitozohana ny fampiasana vatana dia fitozoana amin'ny fahatràrana tanjona ara-pahasalamana... 

Ao anatin'ny fihotazana lavanila ny faritra sasany mpamokatra izany amin'izao fotoana izao. Nampanarahana amin'ny teknikam-pambolena ny daty fihotazana lavanila eto Madagasikara... 

Miha simba sy mikorosy fahana ny tontolo iainana amin'izao fotoana izao. Adisisika na plaidoyer raha adika amin'ny teny frantsay, hetsika iray miantefa amin'ny mpanapa-kevitra voafaritra mazava entina hanovana na hanohanana zavatra iray na koa hangatahana zavatra iray. Tsy ny rehetra no manao ny adisisika fa olona vitsivitsy misolo tena, mahalala sy mahafehy tsara ny zava-misy. Ny fomba hanatanterahana azy dia amin'ny alalan'ny fihetsika sy fahazarana ary fanairana ireo tompon'andraikitra... 

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...