Tsikaritra manoloana ny zava-misy ankehitriny fa miaina fanamby maro ny fiaraha-monina malagasy ; misedra olana maro izay hita amin’ny ankapobeny fa efa miantraika mivantana amin’ny isam-batan’olona. Anisan’ny misongadina ao anatin’ireny ny olana mianjady amin’ny tontolo iainana, hita fa mihasimba hatrany ireo voahary ; ny tsy fandriam- pahahelemana mampitaraina ny ankamaroan’ny Malagasy. Etsy ankilany, raha ny eto an-drenivohitra manokana dia mampitaraina ny mponina ny fahatapahan-jiro sy rano lava reny. Ireny rehetra ireny dia misy fiantraikany amin’ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Isany fototra hatongavana ho amin'ny fandrosoana ny safidy, izay fahafahana misy eo amin'ny tsirairay, indrindra ho an'ny olom-pirenena. Safidy ratsy ny fanapotehana ny ho avin'ny ankizy, indrindra izay mahakasika ny fanabeazana ; ny fanaovana tsinotsinona ny lafiny ara-panabeazana dia fanimbana ny fototry ny fampandrosoana. Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanomezan-danja ny soa iombonana ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa eto amin'ny nosintsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny hoe "mitoka-monina" dia ireo misafidy mandeha irery, tsy te hifandray amin'ny hafa, manohy ny fiainany manokana. Ny mahatonga ny olona "mitoka-monina" dia tahotra ary misy koa ireo mihevitra fa mahavitatena. Ny fihetsik'ireny olona mitoka-monina ireny dia manosika ny fiaraha-monina hanilika azy ireny ; sakana tsy afahana mivoatra ny fitokana-monina satria mety tsy ho voakasika daholo ny lafiny mahaolona dia ny vatana, saina, fanahy, fiaraha-monina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin'ny Faritr'i DIANA. Manana tetik'asa iarahana amin'ny Réseau SOA tohanan'ny F.F.F-F.A.O izy ireo. Tetik'asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...